Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 11:5 - DIEM PROTESTANTA

Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nidina NY TOMPO hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay nataon’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa nidina kosa i Iaveh hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nidina NY TOMPO hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay nataon’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko



Genesisy 11:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia.


–Ny TOMPO anefa dia ao amin’ny Tempoliny masina sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra. Arahiny maso ny olombelona ka indray mijery dia voatombany.


Aoka izy ho vonona ho amin’ny rahafakampitso, fa amin’io andro io dia ho hitan’ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.


Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.


Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.


Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.