Genesisy 18:21 - DIEM PROTESTANTA21 Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Hidina Aho ka hizaha na tena nahavita izany tokoa, araka ny fitarainan’ny tany, izay tonga atỳ Amiko, izy ireo na tsia; raha tsy izany dia ho fantatro ihany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia. Jereo ny tokoBaiboly Katolika21 Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache21 Hidina Aho ka hizaha na tena nahavita izany tokoa, araka ny fitarainan’ny tany, izay tonga atỳ Amiko, izy ireo na tsia; raha tsy izany dia ho fantatro ihany. Jereo ny toko |
Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.