Genesisy 1:24 - DIEM PROTESTANTA Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany. Baiboly Katolika Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-mananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany. |
Tany no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitra ny karazam-bibidia sy voro-manidina rehetra, ka dia nentiny teo amin-draolombelona ireny hahitany izay anarana hiantsoany azy. Ary dia izay hanononan-dralehilahy azy no ho anarany.
Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina.
niditra tao koa ireo bibidia amam-biby fiompy rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra isan-karazany mihetsiketsika ambonin’ny tany mbamin’ireo voro-manidina rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra manana elatra.
Avy eo dia nivoaka koa ireo biby rehetra sy ireo voro-manidina, ary ireo bibikely mihetsiketsika rehetra eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy.
Fantatrao ve ny fotoana fiterahan’ny osidia? voadinikao ve ny diera vavy raha miteraka?
Jereo ange ny lalomena fa samy noarîko na izy na ianao! Mihinana ahitra tahaka ny omby izy;