Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 8:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Avy eo dia nivoaka koa ireo biby rehetra sy ireo voro-manidina, ary ireo bibikely mihetsiketsika rehetra eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ny zavamananaina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany isan-tsokajiny dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambofiara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Avy eo dia nivoaka koa ireo biby rehetra sy ireo voro-manidina, ary ireo bibikely mihetsiketsika rehetra eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin’ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin’ny tany izao, samy araka ny karazany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ny zavamanan-aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambo-fiara araka ny karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ny zava-manan'aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ny zavamananaina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany isan-tsokajiny dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambofiara.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 8:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia noarin’Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.


Dia nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo vinantovaviny.


Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.


ary amin’ny zava-mananaina rehetra eo aminareo na ny vorona, na ny biby fiompy na ny bibidia, dia izay rehetra nivoaka tamin’ny sambofiara niaraka taminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra