Naharitra ela ny adin’ny mpomba an’i Saoly sy ny mpomba an’i Davida. Nihanahery hatrany anefa i Davida fa tsy nitsaha-nikorosy kosa ny taranak’i Saoly.
Estera 9:4 - DIEM PROTESTANTA Ambony toerana tao an-dapa manko i Môrdôkay sady niely laza eran’ny faritany rehetra, satria nisondrotra hatrany ny lehilahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 satria i Mordekay dia tonga lehibe tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ary niely tany amin’ny fari-piadidiana rehetra ny lazany. Nitombo voninahitra hatrany io lehilahy Mordekay io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ambony toerana tao an-dapa manko i Môrdôkay sady niely laza eran’ny faritany rehetra, satria nisondrotra hatrany ny lehilahy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon’ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin’ny isan-tokony eran’ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io. Malagasy Bible Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io. La Bible en Malgache satria i Mordekay dia tonga lehibe tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ary niely tany amin’ny fari-piadidiana rehetra ny lazany. Nitombo voninahitra hatrany io lehilahy Mordekay io. |
Naharitra ela ny adin’ny mpomba an’i Saoly sy ny mpomba an’i Davida. Nihanahery hatrany anefa i Davida fa tsy nitsaha-nikorosy kosa ny taranak’i Saoly.
Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPOn’izao rehetra izao no niaraka taminy.
Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra.
Izay rehetra nataony araka ny fahefana sy ny herimpo nananany ary koa ny andinindininy momba ny nanondrotany an’i Môrdôkay dia efa voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Asan’ireo amperôran’i Media sy i Persia.
Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina, ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony.
Nataon’ny TOMPO nahita sitraka teo imason’ny Ejiptianina ny Israelita. I Mosesy koa dia lehilahy najaina fatratra tany Ejipta na teo amin’ny tandapan’ny Farao na teo amin’ny vahoaka Ejiptianina.
Ny fitondrantenan’ny olo-marina dia toy ny fahazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.
Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.
Indro tonga ny fotoana hamelezako izay rehetra nampahory anareo. Hotsaboiko ny maratranareo, hampodîko ny voasesitany; eny, havadiko ho voninahitra sy laza ny fanaovana tsinontsinona anareo tany amin’ny tany rehetra.
Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.