Dia tamin’ny anaran’i Ahaba no nanoratan’i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an’ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanàna nonenan’i Nabôta.
Estera 8:10 - DIEM PROTESTANTA Nosoniavina tamin’ny anaran’ny amperôra ireo taratasy ireo sy notombohina tamin’ny peratra tombokaseny ary dia nampitondraina iraka, mitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny amperôra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy taratasy nosoratana tamin’ny anaran’i Ahasoerosy mpanjaka ka notombohina tamin’ny peratra fitombo-kasen’ny mpanjaka; ary ny taratasy dia nampitondraina ny iraka haingam-pandeha mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra avy ao amin’ny tranon-tsoavalin’ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nosoniavina tamin’ny anaran’ny amperôra ireo taratasy ireo sy notombohina tamin’ny peratra tombokaseny ary dia nampitondraina iraka, mitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny amperôra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin’ny peratra fanombohan’ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy; Malagasy Bible Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy; La Bible en Malgache Nisy taratasy nosoratana tamin’ny anaran’i Ahasoerosy mpanjaka ka notombohina tamin’ny peratra fitombo-kasen’ny mpanjaka; ary ny taratasy dia nampitondraina ny iraka haingam-pandeha mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra avy ao amin’ny tranon-tsoavalin’ny mpanjaka. |
Dia tamin’ny anaran’i Ahaba no nanoratan’i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an’ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanàna nonenan’i Nabôta.
Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin’ny anarako sy voatomboka tamin’ny peratro; kanefa manorata taratasy amin’ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin’ny peratro izany.
Nandeha faingana noho ny mpihazakazaka ny androko, ka nandositra tsy nahita hasambarana akory,
Tsy refesi-mandidy ny teniny ary tsy misy olona afaka manontany azy ny anton’ny zavatra ataony.
Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà; tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà. Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.
Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.
Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.
Ny mpitantan-draharaha ambony ato amin’ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solotenan’andriamanjaka sy ny mpanolotsaina ary ny governora dia nifanaraka fa tokony hamoaka lalàm-panjakana ianao, ry mpanjaka, fa ato anatin’ny telopolo andro, na iza na iza manao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.