2Tantara 30:6 - DIEM PROTESTANTA6 Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 Dia lasa ny iraka haingam-pandeha nitondra ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Israely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ny mpanjaka hoe: Ry Zanak’Israely ô! Miverena amin’NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely, mba hiverenany ho amin’izay sisa izay tsy azon’ny tanan’ireo mpanjakan’i Arama aminareo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. Jereo ny tokoBaiboly Katolika6 Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin’ny mpanjaka sy ny lehibe any amin’i Israely sy i Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin’ny mpanjaka nanao hoe: «Ry zanak’i Israely ô, miverena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely, dia hiverina amin’izay sisa Izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ny mpanjaka hoe: Ry Zanak’Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’izay sisa aminareo izay tsy azon’ny tànan’ireo mpanjakan’i Asyria. Jereo ny tokoMalagasy Bible6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria. Jereo ny toko |
Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.
Nisy iraka nampitondraina ireo taratasy ireo ho any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana. Ny baiko raketiny dia ny handringanana sy hamonoana ho ripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, ary koa ny handrobana ny fananany. Anatin’ny indray andro monja no hanatanterahana izany fandripahana izany, dia ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12 na volana Adara.