Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 6:8 - DIEM PROTESTANTA

dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;

Jereo ny toko



Estera 6:8
7 Rohy Ifampitohizana  

dia nobaikoiny hoe: –Vorio ny miaramila mpiambina ahy, dia ampitaingeno ny borikivaviko i Salômôna zanako, ka ento midina any Gihôna izy.


ka nasainy hoentin’ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin’ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin’i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy.


Naharaiki-pitia ny amperôra mihoatra noho ny vehivavy hafa i Estera; ka tamin’ireo tovovavy rehetra ireo, dia izy no nahazo fitia sy fanambinana teo anatrehan’ny amperôra. Ary nosatrohan’i Kserksesa ny satroboninahi-piandrianana izy sady nambarany ho mpanjakavavy hisolo an’i Vastỳ.


ka dia namaly azy hoe: –Ny amin’izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka,


Nahita mpanompo mitaingin-tsoavaly aho ary olona ambony mandeha tongotra toy ny mpanompo.


Fa hoy kosa irainy tamin’ireo mpiasa: «Ento atỳ faingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany ary asio kapa ny tongony.


Nalain’i Jônatàna ny akanjobe teny aminy, dia nomeny an’i Davida; natolony azy koa ny akanjo fentiny miady mbamin’ny sabany sy ny tsipîkany ary ny fehikibony.