Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 6:7 - DIEM PROTESTANTA

ka dia namaly azy hoe: –Ny amin’izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa hoy i Hamana tamin’ny mpanjaka: Ny amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka dia namaly azy hoe: –Ny amin’izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ka dia hoy Hamana tamin’ny mpanjaka: Ny amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa hoy i Hamana tamin’ny mpanjaka: Ny amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,

Jereo ny toko



Estera 6:7
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamàna, ka nampiakanjo an’i Môrdôkay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy ho eny an-kianjan’ny tanàna sady niantso teo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»


Dia niditra i Hamàna ka nanontanian’ny amperôra hoe: –Inona no tokony hataoko amin’izay lehilahy iriko homem-boninahitra? Nihevitra anakampo i Hamàna fa tsy misy irin’ny amperôra homem-boninahitra afa-tsy ny tenany,


dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.


Hatolotra ny anankiray amin’ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin’ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan’ny tanàna sady hiantso eo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»