Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 5:3 - DIEM PROTESTANTA

ary nanontanian’ny amperôra hoe: –Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia homena anao izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary nanontanian’ny amperôra hoe: –Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona na angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia homena anao izany.

Jereo ny toko



Estera 5:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Baty-Seba taminy: –Misy zavatra kely iray angatahiko aminao, ka aoka mba tsy holavinao. Ka novalian’ny mpanjaka hoe: –Angataho izay tianao, ry neny, fa tsy handà izany aho.


Fa raha mbola tao Gibehôna i Salômôna, dia nisehoan’ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny nofy, ka nilazany hoe: –Angataho izay tianao homeko anao.


Dia hoy ny amperôra tamiko: –Inona àry no angatahinao? Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha,


Dia novalian’i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna anio ho tonga amin’ny fanasana izay efa nomaniko ho anao.


Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy ny amperôra tamin’i Estera: –Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.


Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin’i Estera: –Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.


Ary hoy ny amperôra tamin’i Estera mpanjakavavy: –Teto Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan’ny Jiosy, ankoatran’izy folo lahy zanak’i Hamàna; ka ho toy inona no nataony tany amin’ny faritany sisa? Kanefa raha mbola misy zavatra angatahinao sy tadiavinao, dia homeko anao sy hotanterahiko izany.


Ary niozona mafy tamin-drazazavavy ny mpanjaka nanao hoe: –Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.


–Inona no tianao hataoko aminao? Ka novalian’ilay jamba hoe: –Tompo ô, ny hampahiratra ahy!


Dia nandray ny tanan’ilay tovolahy ny komandy ka nitondra azy hitokana ary nanontany azy hoe: –Inona izato holazainao amiko?