Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 3:7 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Kserksesa, volana voalohany na volana Nisàna, no nanaovana ny antsapaka (atao hoe Porîma) teo anatrehan’i Hamàna hahafantarana ny fotoanandro tokony hanatanterahana izany; ka rehefa notetezina ny andro sy ny volana, dia ny volana faha-12 na volana Adara no voatondron’ny antsapaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny volana voalohany na ny volana Nisana, tamin’ny taona faharoa amby ny folo nanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka dia nanaovana Pora, na antsapaka, teo anatrehan’i Hamana, ny andro tsirairay sy ny volana tsirairay hatramin’ny volana faharoa amby folo, koa ny volana Adara no voatondro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Kserksesa, volana voalohany na volana Nisàna, no nanaovana ny antsapaka (atao hoe Porîma) teo anatrehan’i Hamàna hahafantarana ny fotoanandro tokony hanatanterahana izany; ka rehefa notetezina ny andro sy ny volana, dia ny volana faha-12 na volana Adara no voatondron’ny antsapaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tamin’ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo nanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, dia nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’i Hamana ny amin’ny isan-andro isan-andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ny volana faharoa ambin’ny folo (volana Adara izany).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan'andro isan'andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany)

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny volana voalohany na ny volana Nisana*, tamin’ny taona faharoa amby ny folo nanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka dia nanaovana Pora, na antsapaka, teo anatrehan’i Hamana, ny andro tsirairay sy ny volana tsirairay hatramin’ny volana faharoa amby folo, koa ny volana Adara no voatondro.

Jereo ny toko



Estera 3:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.


Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara, nandritra ny taona fahenina nanjakan’ny amperôra Dariôsa, no nahavitan’ny tempoly.


Tamin’ny taona faha-roapolo nanjakàn’i Artakserksesa, volana Nisàna, raha ilay nisakafo iny indrindra ny amperôra, dia naka divay aho ka nandroso azy taminy. Vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehan’ny amperôra


Nentina hankao an-dapa ho any amin’ny amperôra izy tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Kserksesa, volana fahafolo na volana Tebeta.


Nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana faha-12 na volana Adara. Io andro io no natao hampiharana ny teny aman-didin’ny amperôra ary nantenain’ireo fahavalon’ny Jiosy haharesena azy. Kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jiosy indray no naharesy ny mpankahala azy.


Niangavian’i Môrdôkay ry zareo mba hankalaza isan-taona ny andro faha-14 sy faha-15 amin’ny volana Adara.


Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nataony araka izay sitraky ny fony tokoa ireo mpankahala azy.


Ahontsankontsana ny kodiakely hahalalan-javatra fa izay mipoitra eo kosa dia avy amin’ny TOMPO.


Dia nohomboan’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Izy, ary nanaovany loka no fizara ny fitafiany.