Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 3:11 - DIEM PROTESTANTA

ary hoy izy tamin’i Hamàna: –Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Homena anao ny volafotsy mbamin’ny vahoaka koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary hoy izy tamin’i Hamàna: –Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Homena anao ny volafotsy mbamin’ny vahoaka koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.

Jereo ny toko



Estera 3:11
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nesorin’ny amperôra teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an’ilay fahavalon’ny Jiosy, dia i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga;


Tamin’ny volana voalohany, andro faha-13, dia nantsoina ireo mpitantsoratry ny amperôra: Araka izay rehetra nandidian’i Hamàna no nanoratany taratasy ho an’ny solotenan’ny amperôra sy ho an’ny governora isam-paritany ary ho an’ny mpitondra isam-pirenena, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony. Tamin’ny anaran’i Kserksesa no nanasoniavana azy ka nasiana tombokase tamin’ny peratry ny amperôra.


Ny masony mila ho difotry ny taviny, nefa tazana eo tsara izay kendren’ny fony.


Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy.


Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»


Ilay natao am-ponja satria nanao fikomiana sady nahafaty olona moa nalefany araka ny notakîn-dry zareo, fa i Jesoa kosa natolony azy hanaovany izay sitrapony.