Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 1:13 - DIEM PROTESTANTA

Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan’ny amperôra dia nalamina teo anatrehan’izay rehetra nahay lalàna sy fitsarana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niresaka tamin’ny mpanandro ny mpanjaka. Toy izany mantsy no nanaovana ny raharahan’ny mpanjaka teo anatrehan’izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan’ny amperôra dia nalamina teo anatrehan’izay rehetra nahay lalàna sy fitsarana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ny mpanjaka tamin’ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan’ny mpanjaka teo anatrehan’izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niresaka tamin’ny mpanandro ny mpanjaka. Toy izany mantsy no nanaovana ny raharahan’ny mpanjaka teo anatrehan’izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana

Jereo ny toko



Estera 1:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 18 000 lahy izay notsongaina anarana mba handeha hampanjaka an’i Davida.


Tamin’ny taranak’i Jisakara, dia nisy manamboninahitra roanjato lahy sy ireo mpiray foko rehetra teo ambany fifehezany; ireo manamboninahitra ireo dia samy nahay mamantatra tsara ny fotoana mety sy ny fomba tokony hikatrohan’ny Israelita.


Nampitain’izy fito lahy tamin’ny mpanjakavavy ny tenin’ny amperôra fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperôra ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany.


Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin’ireo firenena sy ao amin’ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.


Dia tezitra nisafoaka mafy noho izany rehetra izany ny mpanjaka, ka nanome baiko mba handringanana ny olon-kendry rehetra ao Babilôna.


Dia nasain’ny mpanjaka nantsoina ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpimasy ary ny mpanandro mba hanambara aminy ny hevitry ny nofiny. Nony tonga ireo ka niseho teo anatrehan’ny mpanjaka,


Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: –Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka!


Dia niantso tamin’ny feo mahery izy mba hampanalaina ny mpisikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy. Dia nitenenan’ny mpanjaka ireo olon-kendrin’i Babilôna ka nataony hoe: –Na iza na iza mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin’ny fanjakana izy.»


Ary nony maraina ny andro, dia hoy ianareo hoe: «Ho ratsy ny andro anio fa mena antitra ny lanitra.» Hainareo vinavinaina ny toetoetry ny lanitra, ka tsy hainareo vinavinaina ve ireo famantarana momba izao andro diavintsika izao?]


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,