Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:5 - DIEM PROTESTANTA

Fa hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Raiso ho voninahitrao ny mametra ny fotoana hangatahako amin’ny Tompo ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny lapanao, ka tsy hisy havela afa-tsy ny ao Neily ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy i Mosesy tamin’i Farao: Omena anao ny voninahitra hanendry izay fotoana hifonako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, koa dia ho ao Neily ihany sisa no hahitana izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Raiso ho voninahitrao ny mametra ny fotoana hangatahako amin’ny Tompo ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny lapanao, ka tsy hisy havela afa-tsy ny ao Neily ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka hoy i Môizy tamin’i Faraôna: «Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin’ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an’ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalaviran’i Iaveh ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin’ny ony ihany.» Dia hoy izy:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Mosesy tamin’i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Mosesy tamin'i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin'ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy i Mosesy tamin’i Farao: Omena anao ny voninahitra hanendry izay fotoana hifonako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, koa dia ho ao Neily ihany sisa no hahitana izany.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:5
3 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Lazao i Aharôna handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin’ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin’ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.


Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mangataha amin’ny TOMPO mba hanesorany ny sahona amiko, dia halefako hanao sorona aminy ny Israelita.


Trotraka ireo mpanao zava-pisotro ary variana ireo mpamboatra labiera.