Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:17 - DIEM PROTESTANTA

fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro andefasako fihitra betsaka hamely anao, ny mpanomponao, ny vahoakanao ary ny tranonao, dia ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa raha tsy alefanao handeha ny vahoakako, indro Aho handefa lali-be hamely anao, hamely ny mpanomponao, hamely ny vahoakanao, ary hamely ny tranonao. Ho heraka lali-be ny tranon’ny Ejiptianina mbamin’ny tany onenany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha tsy mandefa ny oloko hianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon’ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro andefasako fihitra betsaka hamely anao, ny mpanomponao, ny vahoakanao ary ny tranonao, dia ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin’ny faritany manontolo.


nalefany hitsentsitra azy ireo ny fihitra ary hanimba zavatra ny sahona;


Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»


Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana hiseho eo anatrehan’ny Farao amin’iny izy midina ho eo amoron-drano iny, ka lazao azy hoe: «Izao no andidian’ny TOMPO anao: Alefaso ny vahoakako hanao fanompoam-pivavahana amiko;


–Ny TOMPOn’izao rehetra izao no nanapa-kevitra hanao izany mba hanetrena ny fireharehana eo amin’izay rehetra mpitady voninahitra sy hanaovana tsinontsinona ireo rehetra nohajaina tetỳ an-tany.


Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely an’i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin’Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy.