Eksodosy 7:23 - DIEM PROTESTANTA Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niverina nankao an-tranony i Farao sady tsy mba nahoany akory ny zava-nitranga. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io. Baiboly Katolika Dia nody i Faraôna ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niverina Farao ka nankao an-tranony. Kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza. Malagasy Bible Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza. La Bible en Malgache Niverina nankao an-tranony i Farao sady tsy mba nahoany akory ny zava-nitranga. |
Tsio-drivotra mandalo ihany ny sarambabem-bahoaka; rendrarendra foana koa ireo olona manan-kaja; raha indray atao amin’ny mizana izy roa tonta, dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.
Dia mba nanao toy izany tamin’ny fitokavany koa ireo mpimasy ejiptianina; koa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino akory izay nangatahan’i Mosesy sy i Aharôna, araka izay efa nambaran’ny TOMPO.
Nihady lava-drano manodidina an’i Neily ny Ejiptianina satria tsy azony nosotroina ny rano tamin’ny ony.
Ny sasany tamin’ireo tandapan’ny Farao dia natahotra ny tenin’ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano.
Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.
Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry ary aoka hotandremanao ny traikefa ananany.
Sambatra ny olona izay manaja ny Tompo mandrakariva, fa izay manamafy ny fony kosa hidiran-doza.
TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an’ny fahavalonao!
Nihambo haharitra mandrakizay ianao ka ho tompovavin’izao tontolo izao hatrany, fa tsy noeritreretinao akory izay niseho ary tsy noheverinao akory izay ho avy aoriana.
Takatry ny mpanjaka sy ireo manamboninahiny tokoa ny hafatra voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy, nefa tsy nampiseho tahotra na mariky ny alahelo akory izy.
TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve no zavatra andrandrainao? Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema, nefa tsy nahoany akory izany. Saika hofarananao ny aminy, nefa tsy nino anatra izy. Fa mafy loha toy ny vato izy, ka tsy nety niverina taminao.
Ary hoy ralehilahy io tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, mijere tsara amin’ny masonao, mihainoa tsara amin’ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao satria ny hanehoako anao izao no nitondrako anao atỳ. Avy eo dia hotantarainao amin’ny Israelita izay rehetra hitanao.»
«Banjinonareo ny hafa firenena, hoy ny Tompo. Ary aoka ianareo ho talanjona tokoa fa amin’izao andronareo izao no hanaovana asa izay tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.
dia hoy i Mosesy taminy: –Araiketo ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako hiampangana anareo anio; didio ny taranakareo mba himasoany hotanterahina ny teny rehetra raketin’ity Lalàna ity.
Ary rehefa akaiky ho faty izy, dia hoy ireo vehivavy izay nanampy azy teo hoe: –Aza matahotra fa zazalahy no naterakao. Nefa tsy namaly izy na niraharaha akory izay notenenina taminy.