Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ny sasany tamin’ireo tandapan’ny Farao dia natahotra ny tenin’ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary izay natahotra ny tenin’NY TOMPO teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampandositra haingana ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ny sasany tamin’ireo tandapan’ny Farao dia natahotra ny tenin’ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Ka izay natahotra ny tenin’i Iaveh, teo amin’ny mpanompon’i Faraôna, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin’ny bibiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary izay natahotra ny tenin’i Jehovah teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary izay natahotra ny tenin’NY TOMPO teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampandositra haingana ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:20
10 Rohy Ifampitohizana  

Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io.


Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.


Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.


Mamery tena izay manamavo ny teny; fa hahazo valisoa kosa izay manaja ny didy.


Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena, ary aleo mahazo fahaiza-manavaka toy izay volafotsy.


fa ny TOMPO hiaro azy amin’ny adiny, ka hipaoka ny ain’ireo nipaoka ny fananany.


Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.


Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra