Hitan’ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin’ny kizo izy raha nilazana hoe: «Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan’andro ihany.»
Eksodosy 5:20 - DIEM PROTESTANTA Koa vantany vao nivoaka avy tao amin’ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin’i Mosesy sy i Aharôna izay efa niandry azy rahateo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa rehefa niala avy tao amin’i Farao izy ireo dia tafahaona tamin’i Mosesy sy i Arona izay nijanona niandry azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa vantany vao nivoaka avy tao amin’ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin’i Mosesy sy i Aharôna izay efa niandry azy rahateo; Baiboly Katolika Ary izy nahita an’i Môizy sy i Aarôna, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin’i Faraôna, Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy ireo dia nihaona tamin’i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’i Farao izy; Malagasy Bible Ary izy ireo dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin'i Farao izy; La Bible en Malgache Koa rehefa niala avy tao amin’i Farao izy ireo dia tafahaona tamin’i Mosesy sy i Arona izay nijanona niandry azy. |
Hitan’ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin’ny kizo izy raha nilazana hoe: «Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan’andro ihany.»
ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin’izy mirahalahy: –Aoka ho hitan’ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin’ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan’ireo mba hamonoany anay!