Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 5:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Hitan’ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin’ny kizo izy raha nilazana hoe: «Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan’andro ihany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Hitan’ireo mpifehy ny Zanak’Israely fa efa azon-doza izy noho ny nilazana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ny birikinareo amin’ny anjara fanompoana isanandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Hitan’ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin’ny kizo izy raha nilazana hoe: «Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan’andro ihany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Hitan’ny mpanoratry ny zanak’i Israely fa efa mandry andriran’antsy izy, fa ilazana hoe: «Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan’andro dia ho latasy toraky ny fanao isan’andro ihany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary hitan’ny mpifehy ny Zanak’Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ny birikinareo amin’ny anjara-fanompoana isan-andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary hitan'ny mpifehy ny Zanak'Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan'ny birikinareo amin'ny anjara-fanompoana isan'andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Hitan’ireo mpifehy ny Zanak’Israely fa efa azon-doza izy noho ny nilazana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ny birikinareo amin’ny anjara fanompoana isanandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 5:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny, ndeha miasa fa tsy homena mololo intsony ianareo, nefa ny isam-biriky anjaranareo tsy maintsy homenareo ihany.


Koa vantany vao nivoaka avy tao amin’ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin’i Mosesy sy i Aharôna izay efa niandry azy rahateo;


Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny.


Hitako koa ny tsy rariny rehetra atao eto ambonin’ny tany. Miantsoantso ireo voan’ny tsindry hazo lena, fa tsy mba misy afa-manampy azy. Eo am-pelatanan’ny mpamoritra manko ny fahefana, hany ka tsy mba misy afa-manampy azy.


Tsara kokoa ho an’ny firenena ny manana mpanjaka izay mampandroso ny asa fambolena.


Eny, homen’ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany rehefa hitany fa lany hery; hohasoaviny indray ireo manompo Azy rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra