Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 40:21 - DIEM PROTESTANTA

Naiditra tao amin’ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny vata dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely ka nahantony ny efitra lamba fanakonana mba hanakona ny vata misy ny Vavolombelona, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Naiditra tao amin’ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny vata dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely ka nahantony ny efitra lamba fanakonana mba hanakona ny vata misy ny Vavolombelona, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko



Eksodosy 40:21
5 Rohy Ifampitohizana  

Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.


ny Vatamasina sy ny baony ary ny sarony; ny efitra lamba,


Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.


dia hatsobony ao amin’ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin’ilay efitra lamba atrehiny.