Eksodosy 40:14 - DIEM PROTESTANTA Hampanatoninao ireo zanakalahin’i Aharôna ka hampiakanjoinao azy ny fanamiany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ampanatony ireo zanany ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hampanatoninao ireo zanakalahin’i Aharôna ka hampiakanjoinao azy ny fanamiany, Baiboly Katolika Hasainao handroso koa ireo zanany ka hatafinao azy ny tonîka, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. Malagasy Bible Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. La Bible en Malgache Ampanatony ireo zanany ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. |
Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.
dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.»
Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.
Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanakalahin’i Aharôna ka nampiakanjoiny akanjo lava sy noetràny fehikibo ary nametrahany satroboninahitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.
Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra:
Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.
Izay voatendrin’Andriamanitra rahateo dia nantsoiny koa; izay nantsoiny dia nekeny ho marina koa; ary izay nekeny ho marina dia nomeny voninahitra koa.
Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.
Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.