Fa izay lehilahy tsy voafora eo amin’ny nofony dia hoesorina tsy ho eo amin’ny fireneny, satria tsy nanaja ny fanekempihavanako.
Eksodosy 4:24 - DIEM PROTESTANTA Nony teny an-dalana, indray alina tao an-tranombahiny, dia nanatona an’i Mosesy ny TOMPO ka nitady hamono hahafaty azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony tany an-dalana, tao amin’ny fandriam-bahiny i Mosesy, dia nitsena azy NY TOMPO ka nitady hamono azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony teny an-dalana, indray alina tao an-tranombahiny, dia nanatona an’i Mosesy ny TOMPO ka nitady hamono hahafaty azy. Baiboly Katolika Teny an-dalana, teo amin’ny toerana anankiray nandrian’i Môizy, tamy nitsena azy i Iaveh, nitady hahafaty azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony tany an-dàlana tao amin’ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy. Malagasy Bible Ary nony tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy. La Bible en Malgache Nony tany an-dalana, tao amin’ny fandriam-bahiny i Mosesy, dia nitsena azy NY TOMPO ka nitady hamono azy. |
Fa izay lehilahy tsy voafora eo amin’ny nofony dia hoesorina tsy ho eo amin’ny fireneny, satria tsy nanaja ny fanekempihavanako.
Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.
Kanjo nony nandeha izy, dia sendra liona teny an-dalana ka matin’izany; ary ny fatiny dia niampatra teo amin’ny lalana, fa ny boriky sy ny liona kosa nijanona teo an-daniny sy an-kilany.
Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.
Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»
Toy ny famelin’ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.