Eksodosy 4:10 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin’izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tompo ô, mifona aminao aho, fa olona tsy mahay mandaha-teny, na hatramin’ny taloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; votsa vava sy miadam-piteny anie aho e! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin’izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka. Baiboly Katolika Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin’ny omaly sy afak’omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza, miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. La Bible en Malgache Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tompo ô, mifona aminao aho, fa olona tsy mahay mandaha-teny, na hatramin’ny taloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; votsa vava sy miadam-piteny anie aho e! |
Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?
Dia namaly ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Tsy hino ahy ny Israelita ary tsy hihaino ahy, fa hilaza hoe: «Tsy nisehoan’ny TOMPO akory ianao!»
Fa nanambara teo anatrehan’ny TOMPO i Mosesy hoe: –Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’ny Farao ahy izay votsa vava ity?
Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.
Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.
Notezaina tamin’ny fahaizana isan-karazany nananan’ny Ejiptianina i Mosesy, ka tonga nahery tamin’ny teniny sy ny asany.
«Mafonja sy mahery vaika ireo taratasin’i Paoly; nefa rehefa mby eto aminay izy tenany, dia olona osa ary ny teniny dia tsinontsinona.»
Na tsy ampy fahaiza-mandahateny aza aho, dia ampy fahalalana; nasehonay mazava tsara mandrakariva tamin’ny zavatra rehetra izany mba hahasoa anareo.