Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:34 - DIEM PROTESTANTA

–ny sarona vita amin’ny hoditr’ondry miloko mena, ny sarona vita amin’ny hoditra mafy sy ny efitra lamba fanasarahana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny rakotra hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ny sarona hoditra trozona, ny efitra lamba fanakonana,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–ny sarona vita amin’ny hoditr’ondry miloko mena, ny sarona vita amin’ny hoditra mafy sy ny efitra lamba fanasarahana;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ny firakotra hoditr’ondralahy misoka mena, ny firakotra hodi-dogaona, ny efitra lamba fisarahana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny firakotra hoditr’ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny rakotra hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ny sarona hoditra trozona, ny efitra lamba fanakonana,

Jereo ny toko



Eksodosy 39:34
4 Rohy Ifampitohizana  

hoditr’ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôza,


Mba hiarovana ny lay faharoa, dia hoditr’ondrilahy miloko mena sy sarona vita amin’ny hoditra mafy no harakotra eo amboniny.


Nentin’ny Israelita tany amin’i Mosesy avokoa ny zavatra momba ny fonena-masina, dia: –ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy toy ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry ary ny faladiany;


–ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, miaraka amin’ny baony sy ny sarony;