Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:3 - DIEM PROTESTANTA

Nohetezana tamin’ny takela-bolamena nofisahina ny kofehy volamena madinika, dia nafangaron’ireo mpanao peta-kofehy tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky niampy kiran-drongony mafy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy dia nandidididy azy ho kofehy volamena ka nataony tady miaraka amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nohetezana tamin’ny takela-bolamena nofisahina ny kofehy volamena madinika, dia nafangaron’ireo mpanao peta-kofehy tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky niampy kiran-drongony mafy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nofisahina ho takelany manify ny volamena, dia nohetezana ho kofehy, vao nafehy tamin’ny rongony madinika, tenona misoratsoratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin’ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan’ny mpanenona mahay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy dia nandidididy azy ho kofehy volamena ka nataony tady miaraka amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanefoefo avy any Tiro sy ny mpanankarena amin’ny vahoaka dia samy hitondra fanatitra hahazoana sitraka aminao.


volon’ondry miloko volomparasy na mena na jaky, rongony madinika, volon’osy,


«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.


Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.


Kiran-dongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovana ny efôda, sady nasiana peta-kofehy volamena.


Beritelo nozairina tamin’ny sisiny roa no nitondrana ny efôda.