Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.
Eksodosy 39:25 - DIEM PROTESTANTA Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina. Baiboly Katolika nanao lakolosy kely, volamena madio izy, nampifanelanelaniny tamin’ny ampongabendanitra teo amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mifanelanelana amin’ny ampongabendanitra; Baiboly Protestanta Malagasy ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra): Malagasy Bible ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra): La Bible en Malgache ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra: |
Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.
Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia noravahana sarin’ampongabendanitra vita tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sy tamin’ny kiran-drongony mafy.
Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,