Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:21 - DIEM PROTESTANTA

Natohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kofehy manga no namehezany ny mason-drojon’ny saron-tratra tamin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo, dia araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Natohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nafehiny tamin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny masom-bolan’ny efôda ny masom-bolan’ny saron-tratra, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda ny saron-tratra, ary tsy ho afa-miala eo amin’ny efôda ny saron-tratra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan’ny saron-tratra tamin’ny vava volan’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kofehy manga no namehezany ny mason-drojon’ny saron-tratra tamin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo, dia araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:21
7 Rohy Ifampitohizana  

vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.


Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.


Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.


Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia natao manontolo tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy.


Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


satria izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’olombelona.


Kanefa izay noheverin’izao tontolo izao ho adala no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin’izao tontolo izao ho osa no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka;