Ny mpanefoefo avy any Tiro sy ny mpanankarena amin’ny vahoaka dia samy hitondra fanatitra hahazoana sitraka aminao.
Eksodosy 39:2 - DIEM PROTESTANTA Kiran-dongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovana ny efôda, sady nasiana peta-kofehy volamena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao ny efoda tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika voahasina izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kiran-dongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovana ny efôda, sady nasiana peta-kofehy volamena. Baiboly Katolika Ny efôda dia natao tamin’ny volamena sy ny jaky volomparasy ary rongony madinika mihasina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny efoda tamin’ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy. Malagasy Bible Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy. La Bible en Malgache Dia nanao ny efoda* tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika voahasina izy. |
Ny mpanefoefo avy any Tiro sy ny mpanankarena amin’ny vahoaka dia samy hitondra fanatitra hahazoana sitraka aminao.
Nohetezana tamin’ny takela-bolamena nofisahina ny kofehy volamena madinika, dia nafangaron’ireo mpanao peta-kofehy tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky niampy kiran-drongony mafy.
Dia nampiakanjoiny an’i Aharôna ny akanjo lava anatiny sady noetràny fehikibo; avy eo nampiakanjoiny azy ny akanjo lava ivelany ary ny efôda no nataony teo amboniny, efôda izay nogiaziny tamin’ny fatorany ka natafiny azy.