Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:15 - DIEM PROTESTANTA

Rojo volamena madinika roa, miolanolana toy ny tady voarandrana, no natao teo amin’ny saron-tratra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nasiany rojo kely volamena tsy miharo, mifanolana toy ny tady, teo amin’ny saron-tratra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rojo volamena madinika roa, miolanolana toy ny tady voarandrana, no natao teo amin’ny saron-tratra;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Teo amin’ny saron-tratra dia nasiana rojo madinika, volamena madio, voarandrana toy ny tady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin’ny saron-tratra izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nasiany rojo kely volamena tsy miharo, mifanolana toy ny tady, teo amin’ny saron-tratra.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika.


dia hapetaka eo koa ny rojo volamena madinika anankiroa miolanolana toy ny tady voarandrana.


Nosoratana an-tsokitra teo amin’ny vatosoa tsirairay avy ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba izay miisa 12; natao toy ny fisokitra tombokase izany, ka ireo vato ireo no solotenan’ny foko israelita 12.


nisy bokom-bolamena roa sy haba volamena roa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra.


Mahatsara ny takolakao ireo kavina eo an-daniny avy; ary manendrika ny tenanao ny rado iambozonanao.


Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.


Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin’ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina.


dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.


Avy amiko Joda ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’i Jesoa Kristy sady rahalahin’i Jakôba. Mamangy anareo voaantson’Andriamanitra aho, dia ianareo tiavin’Andriamanitra Ray sy tahiriziny ho an’i Jesoa Kristy.