Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 3:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy nasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 3:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Noravahana vatosoa koa io efitrano io; ary ny volamena nampiasaina dia volamena avy any Parvaîma.


rantsana sedera no miendrika sakamandimby amin’ny tranontsika, ary hazo kipresy no toa peta-drindrina.


Varavaran-kely misy karakara vy no eny amin’ny rindrina ivelany amin’ny toeram-piambenana sy eo amin’ny rindrina mampisaraka azy; ary eo amin’ny rindrina anaty koa dia misy varavaran-kely manodidina. Voaravaka sarin-drofia ny rindrina anatiny teo amin’ny vavahady.


ka nasiana sokitra mampiseho kerobima sy rofia. Ny rofia no manelanelana ny kerobima. Ny kerobima tsirairay dia manana tarehy roa:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra