Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
Eksodosy 33:10 - DIEM PROTESTANTA Raha vao hitan’ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin’ny tany teo am-baravaran’ny tranolay avy ny tsirairay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitan’ny olona rehetra ny andry rahona nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay; dia nitsangana ny olona rehetra ka samy niankohoka teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha vao hitan’ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin’ny tany teo am-baravaran’ny tranolay avy ny tsirairay. Baiboly Katolika Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka, dia mitsangana ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hitan’ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan’ny varavaran’ny lainy avy. Malagasy Bible Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy. La Bible en Malgache Ary hitan’ny olona rehetra ny andry rahona nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay; dia nitsangana ny olona rehetra ka samy niankohoka teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy. |
Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
Dia nitsangana teo anoloan’ny alitaran’ny TOMPO sady nanatrika ny Israelita rehetra tafangona i Salômôna, ka nanandra-tanana nanandrify ny lanitra
Nialoha azy ireo ny TOMPO ka andry rahona no nitarihany lalana azy nony antoandro, ary andry afo no nanazavàny azy nony alina, hany ka afaka nandeha andro aman’alina ny Israelita.
Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Taorian’izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin’i Nona sady zatovo mpanompon’i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin’ny tranolay masina.
Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin’i Mosesy ny TOMPO.
Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.
Ilay mpamory hetra kosa nijanona terỳ lavidavitra, tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandondòna ny tratrany matetika sady nanao hoe: «Andriamanitra ô, mba iantrao re aho, fa mpanota!»