Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin’i Mosesy ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary rehefa niditra tao amin’ny tranolay i Mosesy dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay, ary NY TOMPO niresaka tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin’i Mosesy ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay, ary i Iaveh miresaka amin’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary raha niditra tao amin’ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary raha niditra tao amin'ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary rehefa niditra tao amin’ny tranolay i Mosesy dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay, ary NY TOMPO niresaka tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:9
17 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, dia nandao azy Izy.


Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.


Tao anaty andry rahona ny Tompo no niteny tamin’ny vahoakany; dia nankatoavin’ireo ny baikony mbamin’ny fitsipika nomeny azy.


Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.


Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.


Raha vao hitan’ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin’ny tany teo am-baravaran’ny tranolay avy ny tsirairay.


Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Taorian’izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin’i Nona sady zatovo mpanompon’i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin’ny tranolay masina.


Rehefa mankany i Mosesy, dia mitsangana avokoa ny olona mankeo am-baravaran’ny tranolainy avy, ka mijery an’i Mosesy ambara-pidiny ao amin’ny tranolay masina.


Aoka tsy hisy olona hiaraka aminao! Aoka koa tsy hisy olona ho hita mihitsy eny an-tendrombohitra manontolo; ary aoka tsy hisy biby handrasana eny akaiky eny na iray aza, na ondry aman’osy na omby.


Nidina tao tamin’ny andry rahona ny TOMPO, ka nijanona tao niaraka tamin’i Mosesy. Nambarany azy ny anarany hoe «Ny TOMPO».


sady niantso hoe: –Tompo ô, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.


Ary voasariky ny herin’ny TOMPO indray aho, ka hoy Izy tamiko: «Mitsangàna, mankanesa any an-dohasaha fa any no hitenenako aminao.»


Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin’ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin’izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.


Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa


ka nisehoan’ny TOMPO tamin’ny andry rahona; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay izany andry rahona izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra