Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 32:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin’i Aharôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanala ny kavim-bolamena izay teny amin’ny sofiny ny olona rehetra ka nitondra azy ho eo amin’i Arona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin’i Aharôna.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra azy teo amin’i Aarôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin’i Arona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanala ny kavim-bolamena izay teny amin’ny sofiny ny olona rehetra ka nitondra azy ho eo amin’i Arona.

Jereo ny toko



Eksodosy 32:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,


Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.


Fa novalian’i Aharôna hoe: –Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.


Noraisin’i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin’ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe: –Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!


Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Hôreba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.


ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;


Misy olona mandanilany foana ny volany; mandanja volamena sy volafotsy amin’ny mizana izy, dia manarama olona mpanefy firavaka mba hamboatra ireny ho andriamanitra izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.


Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ôfira, izay namboarin’ny mpanao asan-tanana sy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.