Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 3:19 - DIEM PROTESTANTA

19 ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 ny kavina, ny rojo, ny fisalobonana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 ny kavina, ny fehi-tanana ny voaly,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 3:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,


Tazany manko ny kavin’orona sy ireo haba teny an-tanan’ny anabaviny ary henony koa ny nitantarany izay voalazan’ilay rangahy. Dia tonga teo amin’ilay rangahy i Labàna; ary mbola mijoro eo anilan’ny fantsakana miaraka amin’ny ramevany izy


Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.


Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.


Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.


Ary raha iny mbola navoaka ny trano iny ilay ramatoa, dia nampaniraka ho any amin’ny rafozan-dahiny izy hilaza hoe: –Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nahabevohòka ahy. Koa fantaro izay tompon’ireto fitombokase sy tady ary tehina ireto?


Fa novalian’i Aharôna hoe: –Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.


Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin’i Aharôna.


Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany.


Amin’izany andro izany, dia hoesorin’ny Tompo ny haingo rehetra fampiasan’ny andriambavilanitr’i Tsiôna, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana;


ny satroka diadema sy ny rojo miolanolana, ny fehikibo mirandrana sy ny vakana fanefitra ary ny firavaka mampanambina;


Noravahako firavaka ianao ka nasiako haba ny hato-tananao ary vakana ny vozonao;


nametahako kavina ny oronao sy ny sofinao sady nasiako satroboninahitra tsara tarehy ny lohanao.


Koa izany no itondranay fanatitra ho an’ny TOMPO mba hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka eo anatrehany ho an’ny tenanay, dia ny firavaka volamena hitan’ny tsirairay avy toy ny rojo, haba, peratra, kavina ary ny haingom-bozona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra