Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.
Eksodosy 32:22 - DIEM PROTESTANTA Fa novaliany hoe: –Aza tezitra ianao, tompoko. Fantatrao ihany fa mailaka hanao ratsy ity vahoaka ity. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona fa mpanao ratsy izy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novaliany hoe: –Aza tezitra ianao, tompoko. Fantatrao ihany fa mailaka hanao ratsy ity vahoaka ity. Baiboly Katolika Hoy i Aarôna namaly azy: «Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko. Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa hianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy; Malagasy Bible Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy; La Bible en Malgache Dia hoy i Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona fa mpanao ratsy izy; |
Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.
sady niteny tamin’i Mosesy hoe: –Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta?
Nisy ihany anefa olona tsy nankatò an’i Mosesy ka namela sisa ho tra-maraina, saingy nivoaka olitra ireny ka maimbo; koa tezitra tamin’ireo i Mosesy.
Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako?
Nony hitan’ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan’i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe: –Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.
Ary nanontany an’i Aharôna izy hoe: –Nanao inona anao ity vahoaka ity no dia nentinao amin’izao heloka bevava izao?
Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.
Fantatro fa maditra sy mafy hatoka ireo; izao ankehitriny mbola velona eto aminy izao aza aho, dia efa nikomy tamin’ny TOMPO ireo, ka mainka rehefa maty aho.
Eny, hatramin’ny andro nahalalako anareo no ho mankatỳ, dia niodina tamin’ny TOMPO hatrany ianareo.
Tsarovy ny nampahatezeranareo ny TOMPO Andriamanitrareo; aza hadinoinareo mihitsy izany! Hatreo amin’ny andro nialanareo tany Ejipta ka hatramin’izao nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity izao, dia tsy nitsahatra niodina tamin’ny TOMPO ianareo.
Ka hoy ny navalin’i Saoly: –Nentin’ny miaramila avy tany amin’ny Hamalekita izany; satria ny biby tsara tsy mba nokasihiny fa hatao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao. Ny sisa rehetra kosa dia naringany avokoa.
fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.
Ka hoy ny navalin’i Saoly azy: –Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.