Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 32:18 - DIEM PROTESTANTA

Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, tsy horakora-pandresena, na kiakiakam-paharesena no reko, fa hiram-pety.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy fa feon’ny mihira no reko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, tsy horakora-pandresena, na kiakiakam-paharesena no reko, fa hiram-pety.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa hoy ny navalin’i Môizy: «Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy no reko, fa feon’ny mihira.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy fa feon’ny mihira no reko.

Jereo ny toko



Eksodosy 32:18
5 Rohy Ifampitohizana  

Ren’i Josoa ny feon’ny vahoaka nihorakoraka, ka hoy izy tamin’i Mosesy: –Horakoraky ny ady any an-toby izany!


Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.


Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.


Rehefa avy niboboka divay izy rehetra, dia nankalaza ireo andriamaniny volamena sy volafotsy, halimo sy vy ary hazo sy vato.