Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany; ka, eny amin’ny lalan-kizorany eny, dia tsy misy afa-miery amin’ny hafanàny.
Eksodosy 32:15 - DIEM PROTESTANTA Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin’Andriamanitra, samy voasikotra teo amin’ny lafiny anankiray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin’Andriamanitra, samy voasikotra teo amin’ny lafiny anankiray. Baiboly Katolika Ary i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa, voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin’ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo am-badika no nisy ny soratra. Malagasy Bible Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra. La Bible en Malgache Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. |
Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany; ka, eny amin’ny lalan-kizorany eny, dia tsy misy afa-miery amin’ny hafanàny.
Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia teo anoloan’ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak’i Aharôna ilay siny tany misy mana mba hotahirizina.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara etỳ akaikiko etỳ an-tendrombohitra, ary mijanòna eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalàna mba hampianarinao ny Israelita.
Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Asan’Andriamanitra ireo vatofisaka roa ireo, nosoratan’ny tanan’Andriamanitra mihitsy.
Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin’Andriamanitra.
Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.
Miharihary fa taratasy soratanan’i Kristy ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin’ny alalan’ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon’olombelona.
Raha natao sokitra teo amina takela-bato ny lalàna, dia niseho ny voninahitr’Andriamanitra; ary namirapiratra ny tavan’i Mosesy, ka tsy tantin’ny vahoaka Israely nobanjinina ny tavany, na dia namirapiratra nihelina ihany aza. Koa raha heni-boninahitra toy izany àry ny fanompoana teo amin’ny lalàna izay mitondra fahafatesana,
Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.
Dia nihodina aho nidina niala teo amin’ny tendrombohitra izay toa nirehitra afo. Teny an-tanako roa ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana.
tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.
Dia hitako nisy horonamboky teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana; ka io horonamboky io dia voasoratra anatiny sy ivohony sady voaisy tombokase fito.