Eksodosy 28:8 - DIEM PROTESTANTA Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda. Baiboly Katolika Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina. Malagasy Bible Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina. La Bible en Malgache Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona. |
Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba:
Avy eo dia ampiakanjoy an’i Aharôna ny fanamiana voatokana: dia ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny efôda ary ny saron-tratra, ka afatory ny samboadin’ny efôda.
Notenomina ho iray amin’ny efôda sady natao tamin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Dia nampiakanjoiny an’i Aharôna ny akanjo lava anatiny sady noetràny fehikibo; avy eo nampiakanjoiny azy ny akanjo lava ivelany ary ny efôda no nataony teo amboniny, efôda izay nogiaziny tamin’ny fatorany ka natafiny azy.
Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
ary teo afovoan’ireo fitoeranjiro ireo dia nisy tahatahaka ny Zanak’olona, niakanjo akanjo lava, nanao etra volamena manodidina ny tratrany;