Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 27:8 - DIEM PROTESTANTA

Hazo fisaka no handrafetana ny alitara, ka hatao holoka aty izany, araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hazofisaka no arafeto ho alitara ka ataovy poakaty izany; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hazo fisaka no handrafetana ny alitara, ka hatao holoka aty izany, araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ataovy hoboka aty, amin’ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hazofisaka no arafeto ho alitara ka ataovy poakaty izany; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.

Jereo ny toko



Eksodosy 27:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.


Dia hoy i Davida hoe: –Izany rehetra izany, anaka, dia ao anatina rakitsoratra avy tamin’ny TOMPO, rakitsoratra izay nampahafantatra ahy ny asa rehetra asehon’ny sary.


Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny môdely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.


Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.


ka poaka àty ny fivavahana ataony amiko, satria didin’olombelona no ambarany ho fampianarako.»


Ny tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana kosa dia nananan’ny razantsika fony ireo tao an-taniefitra. Namboarina araka ny fepetra voalazan’Andriamanitra tamin’i Mosesy rahateo.


Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»