Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.
Eksodosy 27:17 - DIEM PROTESTANTA Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Samy hisy farango volafotsy hitohizany ny andry rehetra amin’ny kianja manodidina; ho volafotsy ny fihantonany ary ho varahina ny faladiany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo. Baiboly Katolika Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban’ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tsangantsangany rehetra amin’ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany. Malagasy Bible Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany, La Bible en Malgache Samy hisy farango volafotsy hitohizany ny andry rehetra amin’ny kianja manodidina; ho volafotsy ny fihantonany ary ho varahina ny faladiany. |
Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.
Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon’ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.
Ny 17 kilao sisa kosa dia nanaovana ny farangon’ny andry sy nandrakofana ny lohan’ny andry mbamin’ireo anjaka nampitohy ny andry.
Io no nampiasaina nanamboarana ny faladian’ny andry teo amin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny fitaovana rehetra teo amin’ny alitara,