Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Io no nampiasaina nanamboarana ny faladian’ny andry teo amin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny fitaovana rehetra teo amin’ny alitara,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Ary tamin’izany no nanaovany ny faladian’ny varavaran’ny tranolay fihaonana sy ny alitara varahina, ary ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Io no nampiasaina nanamboarana ny faladian’ny andry teo amin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny fitaovana rehetra teo amin’ny alitara,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary no nanaovany ny faladiany ho amin’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Ary tamin’izany no nanaovany ny faladian’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* sy ny alitara varahina, ary ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:30
7 Rohy Ifampitohizana  

Hisy andry dimy hatao amin’ny hazo mimôzà, sady horakofana takela-bolamena, ka eo no hanantonana io varavarana lamba io amin’ny farango volamena. Faladia halimo dimy no harendrika hitsatohan’ireo andry ireo.


farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin’ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin’ny faladia halimo roapolo.


Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo.


Hatao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady harafitra miaraka amin’ny tenan’ny alitara, izay horakofana takelaka halimo.


Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.


Ny fitambaran’ny halimo nataon’ny Israelita fanomezana dia 2 124 kilao.


ny faladian’ny fefy sy ny fidirana teo an-kianja ary ny tsîmatra rehetra momba ny fonena-masina sy momba ny fefin’ny kianja.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra