Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 27:10 - DIEM PROTESTANTA

farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin’ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin’ny faladia halimo roapolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ho roapolo ny andriny ary ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin’ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin’ny faladia halimo roapolo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ho roapolo ny andriny ary ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.

Jereo ny toko



Eksodosy 27:10
7 Rohy Ifampitohizana  

Ho tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka hivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra, ary mitovy amin’ny teo ihany ny fanantonana azy.


«Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;


Namboarina koa ny andry dimy hitondra ny efitra lamba sy ny fantsika hanantonana azy eo. Ny lohan’ny andry sy ny anjany dia samy norakofana takela-bolamena avokoa; fa natao halimo kosa ny faladiany dimy.


farango sy ànjaka volafotsy no nanantonana azy teo amin’ny andry halimo roapolo, izay nitsatoka tamin’ny faladia halimo roapolo.


ny faladian’ny fefy sy ny fidirana teo an-kianja ary ny tsîmatra rehetra momba ny fonena-masina sy momba ny fefin’ny kianja.


Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary enina metatra ny manodidina. Poakaty izy nefa misy valo santimetatra ny hatevin’ny metaly.