Norakofana hazo sedera mirefy folo metatra hatreo ambany ka hatrany ambony koa ny rindrin’ilay efitrano anatiny; ka ny atin’io efitrano io dia namboarina ho efitra voatokana izay nantsoina hoe Toeramasina Indrindra.
Eksodosy 26:23 - DIEM PROTESTANTA miampy hazo fisaka roa manokana hatao erỳ amin’ny zorony roa erỳ afara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hazofisaka roa no hataonao eo amin’ny zoron’ny tabernakely amin’ny lafiny aoriana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara miampy hazo fisaka roa manokana hatao erỳ amin’ny zorony roa erỳ afara. Baiboly Katolika hanao hazo fisaka roa ianao hatao amin’ny zoron’ny Fonenana, ao amin’ny farany, Baiboly Protestanta Malagasy Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin’ny zoron’ny tabernakely amin’ny lafiny ivoho. Malagasy Bible Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny ivoho. La Bible en Malgache Hazofisaka roa no hataonao eo amin’ny zoron’ny tabernakely amin’ny lafiny aoriana. |
Norakofana hazo sedera mirefy folo metatra hatreo ambany ka hatrany ambony koa ny rindrin’ilay efitrano anatiny; ka ny atin’io efitrano io dia namboarina ho efitra voatokana izay nantsoina hoe Toeramasina Indrindra.
Ho an’ny lafiny andrefana izay eo ivohon’ny fonena-masina dia hazo fisaka enina no hatao,
Ireo hazo fisaka roa ireo dia hisy elanelany ara-dalàna eo amin’ny fotony, fa hifanatona tsikelikely, ka hikambana eo amin’ny haba iray any an-dohany. Hatao mitovy izy roa ho hazo fisaka eo amin’ny zorony.