Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 24:7 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky azy teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay sy hekenay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky azy teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay sy hekenay.

Jereo ny toko



Eksodosy 24:7
17 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.


Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.


«Vorio hanketo anoloako ny mpivavaka marina, dia ireo nanao sorona fanekempihavanana tamiko.


Saingy nanao teny fitaka hilaza lainga tamin’ny Tompo ireo;


Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.


«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Efa nanao fifanekena tamin’ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy.


Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay.


Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Tsy tokana va ny raintsika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Koa nahoana no mivadika amin’ny namantsika avy isika, ka manimbazimba ny fanekempihavanana nifanaovan’Andriamanitra tamin’ireo razantsika?


Nony vita ny famakiana ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàna sy ny bokin’ny mpaminany, dia nanirahan’ireo lohandohan’ny sinagôga olona izy roa lahy hilaza aminy hoe: –Ry havana, azonareo atao izao ny miteny raha manana teny fampaherezana holazaina amin’ny vahoaka mpiangona ianareo.


Rehefa voavaky eto aminareo ity taratasy ity, dia ataovy izay hamakiana azy koa any amin’ny Fiangonan’i Laôdisia; ary dia mba vakionareo kosa ilay taratasy avy any Laôdisia.


Iangaviako indrindra amin’ny anaran’ny Tompo ianareo: mba vakio amin’ny havana rehetra iray finoana ity taratasy ity.


Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe: –Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.