Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 34:13 - DIEM PROTESTANTA

13 «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Efa nanao fifanekena tamin’ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta hiala tamin’ny trano nanandevozana, tamin’ny nilazako hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Efa nanao fifanekena tamin’ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanao fanekena tamin’ny razanareo Aho, fony Aho nitondra azy ireo nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nahandevozana, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta hiala tamin’ny trano nahandevozana nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:13
24 Rohy Ifampitohizana  

Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.


izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.


Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin’ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatra tsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Koa tonga tamin’i Jeremià ny teny avy amin’ny TOMPO nanao hoe:


Fa raha nitondra ny razanareo niala tany Ejipta Aho, dia tsy nilaza taminy akory na nangataka azy hanao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.


fa vonoy ho faty mihitsy; ny tanan’izay olona notaominy no hiainga voalohany hamely torabato azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra.


Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, saingy efa nanafaka anareo ilay TOMPO Andriamanitrareo; koa izany no anomezako anareo anio izao didy izao.


Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ka imasoy hotanterahina ireo didy ireo.


Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.


Novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon’ny TOMPO teo imasonareo tamin’ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo.


Ianao no aoka hanatona ny TOMPO Andriamanitsika sy hihaino ny zavatra rehetra holazainy; avy eo vao hampitainao aminay ny zavatra rehetra nolazain’ny TOMPO Andriamanitsika taminao, ka hohenoinay sy hotanterahinay izany.»


«Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Amin’izay, dia tandremonareo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Izay nampiala anareo tany Ejipta, toera-nanandevozana anareo.


Fa raha nentin’ny TOMPO tamin’ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin’ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, dia satria tian’ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin’ny razambenareo.


saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.


Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin’ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin’ny lalana rehetra nalehany sy teny amin’ny firenena rehetra noteteziny.


dia nanirahany mpaminany hiteny aminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin’ny toerana nanandevozana anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra