Mifoha vao mangiran-dratsy ny mpandatsaka aina ka mamono ny mahantra sy ny ory, ary lasa mpangalatra rehefa tonga ny alina.
Eksodosy 22:2 - DIEM PROTESTANTA fa rehefa mihiratra masoandro kosa no hisehoan’izany, dia tena vono olona. Raha tàhiny izy tsy manana hoenti-manonitra ny halatra nataony, dia hamidy ho andevo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa raha tratra amin’ny masoandro miposaka kosa izy dia hisy valin-dra ihany amin’izany. Hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona izy dia hamidy noho ny halatra nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa rehefa mihiratra masoandro kosa no hisehoan’izany, dia tena vono olona. Raha tàhiny izy tsy manana hoenti-manonitra ny halatra nataony, dia hamidy ho andevo. Baiboly Katolika «Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany; Baiboly Protestanta Malagasy fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-dra ihany amin’izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony. Malagasy Bible fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin'izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony. La Bible en Malgache fa raha tratra amin’ny masoandro miposaka kosa izy dia hisy valin-dra ihany amin’izany. Hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona izy dia hamidy noho ny halatra nataony. |
Mifoha vao mangiran-dratsy ny mpandatsaka aina ka mamono ny mahantra sy ny ory, ary lasa mpangalatra rehefa tonga ny alina.
Ao anaty haizina no mamaky trano ny mpangalatra fa mihidy an-trano kosa izy nony antoandro ka tsy mahalala akory ny mazava;
Hatramin’ny fitafianao avy no nahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny. Tsy nahatratra azy nanapitsoka ny varavaranao akory ianao! Nefa na eo aza izany rehetra izany,
ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.
Mamakivaky ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ny manda; mianika ny trano izy ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.
ka hitan’ny mpamaly faty, dia azon’io vonoina ho faty; ary tsy meloka ny mpamaly faty amin’izany,
Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.
Satria fantatrareo tsara fa ny andron’ny Tompo dia ho avy tampoka, toy ny iavian’ny mpangalatra amin’ny alina.
Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona;