Hitan’i Hesao kosa tamin’izay fa tsy nahafaly an’i Itsehàka rainy ireo zazavavy kanahanita.
Eksodosy 21:8 - DIEM PROTESTANTA Raha tàhiny novidin’ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahîn’ny tompony, dia havelany havotan’ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin’ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha tàhiny novidin’ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahîn’ny tompony, dia havelany havotan’ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin’ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany. Baiboly Katolika fa raha ilay tompony izay nihevitra azy ho an’ny tenany no tsy tia azy dia havelany havotana izy; fa tsy ho azony amidy amin’olon-kafa nony efa nivadihany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy. Malagasy Bible Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy. La Bible en Malgache Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy. |
Hitan’i Hesao kosa tamin’izay fa tsy nahafaly an’i Itsehàka rainy ireo zazavavy kanahanita.
Nanodoka ahy toy ny ranotrambo ny rahalahiko, dia tahaka ny mason-dranon-driaka malaky ritra,
«Raha misy olona mivarotra ny zanany vavy ho mpanompovavy, dia tsy ho afaka araka ny fepetra momba ny mpanompolahy io mpanompovavy io.
Raha mamofo azy ho vadin’ny zanany lahy kosa ilay tompony, dia hanatanteraka aminy araka izay fanao amin’ny zanakavavy.
Hataoko lao ny taniny, satria nivadika tamiko ireo. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »
Ary iza aminareo no manana fofombady nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.»
Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: –Angaha tsy misy tovovavy ato amin’ny fokonao na ato amin’ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin’izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsôna tamin’ny rainy: –Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.
Koa raha tàhiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin’i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimelèka ary hifaliany anie ianareo!
Nahatezitra mafy an’i Saoly izany tononkira izany, ka hoy izy anakampo hoe: «An’alinalina lahy no nomeny an’i Davida, fa an’arivoarivo fotsiny kosa no nomeny ahy! Angamba homeny azy koa ny fanjakana atsy ho atsy!»
Fa tsy nahafaly an’i Samoela izany nangatahan’izy ireo mpanjaka ho azy izany; koa dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy.