Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 21:8 - Baiboly Katolika

8 fa raha ilay tompony izay nihevitra azy ho an’ny tenany no tsy tia azy dia havelany havotana izy; fa tsy ho azony amidy amin’olon-kafa nony efa nivadihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Raha tàhiny novidin’ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahîn’ny tompony, dia havelany havotan’ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin’ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Raha tàhiny novidin’ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahîn’ny tompony, dia havelany havotan’ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin’ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 21:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Hitan’i Esao fa tsy tian’Isaaka rainy ny zanaka vavin’i Kanaana,


Ireo rahalahiko kosa, namadika toy ny ranotrambo, toy ny rano an-dohasahan-driaka, izay mikoriana;


Raha misy lehilahy mivaro-janaka vavy ho mpanompon’olona dia tsy mba ho toy ny andevolahy ny fahafahany,


Raha ny zanany lahy no kasainy homena azy dia hoentiny araka izay tsy maintsy ho fitondra ny zanakavavy izy.


Ary ataoko zary efitra ny tany, noho izy ireo nivadika; - teny marin’i Iaveh Tompo. -


Iza no nifamofo tamim-behivavy fa mbola tsy nampakatra azy? Aoka hiala izy ka hody any aminy, fandrao maty an’ady, ka olon-kafa no hampakatra azy.


Hoy ny ray aman-dreniny taminy: «Nahoana kosa no dia any amin’ny Filistinina tsy mifora ianao no haka vady; fa angaha tsy misy vehivavy amin’ny zana-kavanao, sy eto amin’izay rehetra iray firenena amintsika?»Dia hoy i Samsôna tamin-drainy: «Izay ihany alaina ho ahy, fa izay no sitrako.»


Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny ankohonany, dia aoka i Abimeleka hampifaly anareo, ary ianareo kosa hampifaly azy.


Tezitra mafy i Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: «Ny an’i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo, ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony».


Tsy sitrak’i Samoela izany teny izany noho izy ireo nanao hoe: «Omeo mpanjaka izahay hitsara anay». Dia nivavaka tamin’i Iaveh i Samoela; ary hoy i Iaveh tamin’i Samoela;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra