Eksodosy 2:8 - DIEM PROTESTANTA Dia novalian’ny andriambavy hoe: –Mandehana àry! Dia nandeha razazavavy ka ny renin’ilay zazalahy ihany no nantsoiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa Razazavavy niantso ny renin’ny zaza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’ny andriambavy hoe: –Mandehana àry! Dia nandeha razazavavy ka ny renin’ilay zazalahy ihany no nantsoiny. Baiboly Katolika «Mandehana,» hoy ity zanaka vavin’i Faraôna. Dia lasa razazavavy naka ny renin’ny zaza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ny zaza. Malagasy Bible Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza. La Bible en Malgache Dia hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa Razazavavy niantso ny renin’ny zaza. |
Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe: –Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?
Ary hoy ity andriambavy tamin-dravehivavy: –Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy fa izaho no hanome ny karamanao. Dia nalain-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.
Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.