Niery enin-taona tao an-tranon’ny TOMPO i Jôasy mbamin’ny mpitaiza azy; ary i Hatalià no nanjaka teo amin’ny tany.
Eksodosy 2:2 - DIEM PROTESTANTA Bevohòka ravehivavy ka niteraka zazalahy. Hitany fa tsara tarehy ilay zazalahy ka nafeniny nandritra ny telo volana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy. Ary rehefa hitany fa zaza tsara tarehy ilay izy dia nafeniny telo volana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Bevohòka ravehivavy ka niteraka zazalahy. Hitany fa tsara tarehy ilay zazalahy ka nafeniny nandritra ny telo volana. Baiboly Katolika Ary tonga bevohoka ravehivavy dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana. Malagasy Bible Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana. La Bible en Malgache Dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy. Ary rehefa hitany fa zaza tsara tarehy ilay izy dia nafeniny telo volana. |
Niery enin-taona tao an-tranon’ny TOMPO i Jôasy mbamin’ny mpitaiza azy; ary i Hatalià no nanjaka teo amin’ny tany.
I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.
izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.
Tamin’izany fotoana izany no nahaterahan’i Mosesy, zazalahy mahatehotia teo imason’Andriamanitra. Notezaina telo volana tao an-tranon-drainy izy;
Enga anie ny zava-tsoan’izany tany mahavokatra izany sy ny fanambinan’Ilay nitoetra tao amin’ny Roimemy hitosaka eo amin’ny taranak’i Jôsefa, dia ny taranak’ilay navahana tamin’ny rahalahiny!
Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy. Hitany manko fa zazakely mahafatifaty i Mosesy, ka tsy natahorany izay baikon’ny mpanjaka.
Dia nampanalain’i Jisay i Davida, izay tovolahy mazava endrika sady baribary maso no tsara tarehy. Ary hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: «Io no izy, koa mandehana hosory mpanjaka izy.»